Filazantsara araka an'i Lioka 9:60
Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Jesus said unto him, Let the dead bury their dead: but go thou and preach the kingdom of God.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 9
Cross References
John 21:15Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’ i Simona Petera: Simona, zanak’ i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
2 Corinthians 5:16Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an’ i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.
Ephesians 2:5na dia fony mbola matin’ ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’ i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
2 Timothy 2:3Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran’ i Kristy Jesosy.
2 Timothy 4:5Fa ianao kosa mahonona tena amin’ ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.