Bokin'i Malakia 1:12
Fa ianareo kosa manamavo izany amin’ ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’ i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 11:4Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak’ Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
Ezekiel 36:21Dia namindrako fo ny anarako masìna, izay nolotoin’ ny taranak’ Isiraely tany amin’ ny firenena izay nalehany.
Amos 2:7Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan’ ny malahelo izy sady mamily ny alehan’ ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin’ ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masìna;
Malachi 1:13Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ ny tenanareo va Aho? hoy Jehovah.
Romans 2:24Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra any amin’ ny jentilisa.