Bokin'i Malakia 1:14
Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin’ ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ ny jentilisa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 22:18Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany ary ny zanak’ Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo amin’ ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an’ i Jehovah ho fanatitra dorana,
Joshua 7:11Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin’ ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin’ ny entany.
Psalms 47:3Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin’ ny tany rehetra Izy.
Psalms 48:2Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’ Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masìna.
Psalms 76:12Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an’ Izay mahatahotra.
Psalms 102:16Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao;