Bokin'i Malakia 3:1
Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 23:20Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin’ ny fitoerana izay namboariko.
Psalms 110:1Salamo nataon’ i Davida. Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Isaiah 9:6Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Isaiah 40:10Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.
Hosea 12:3Manana ady amin’ i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an’ i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.
Malachi 2:7Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy.