Bokin'i Malakia 3:15
Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an’ Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 14:22ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
Job 1:22Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’ Andriamanitra.
Job 21:7Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
Job 22:23Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
Psalms 49:18Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
Psalms 73:12Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.