Bokin'i Malakia 3:3
Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’ i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’ i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 8:6Alao ny Levita avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka diovy izy.
Psalms 4:6Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’ i Jehovah.
Psalms 50:23Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’ Andriamanitra.
Psalms 69:30Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.
Psalms 116:17Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran’ i Jehovah no hantsoiko.
Proverbs 17:3Ny memy ho an’ ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.