The Bible Software
bible.software › Bokin'i Malakia › Bokin'i Malakia 3 › Bokin'i Malakia 3:4

Bokin'i Malakia 3:4

Dia ho mamin’ i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin’ ny andro fahiny sy toy ny tamin’ ny taona taloha.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Then shall the offering of Judah and Jerusalem be pleasant unto the LORD, as in the days of old, and as in former years.

In Context

3Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’ i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’ i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.

5Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ ny karamany mbamin’ ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.

Read all of Bokin'i Malakia 3

Cross References

1 Chronicles 15:26Ary rehefa nomban’ Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia namono vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.

1 Chronicles 21:26Ary Davida nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an’ i Jehovah izy ka novaliany tamin’ ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.

2 Chronicles 1:6Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin’ ny alitara varahina teo anatrehan’ i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.

2 Chronicles 7:10Ary nony tamin’ ny andro fahatelo amby roa-polo tamin’ ny volana fahafito dia nampodiny ho Eny an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon’ i Jehovah tamin’ i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony.

2 Chronicles 29:31Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an’ i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon’ i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana.

2 Chronicles 31:20Ary toy izany no nataon’ i Hezekia eran’ i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Malakia 3:4

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Malakia 3:3Bokin'i Malakia 3Bokin'i Malakia 3:5 →