Bokin'i Malakia 3:7
Hatramin’ ny andron’ ny razanareo dia efa niala tamin’ ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak’ i Jakoba, dia tsy fongana.
Cross References
Leviticus 26:40Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin’ ny nanoherany Ahy,
Deuteronomy 9:7Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’ i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin’ ny andro nialanao tany amin’ ny tany Egypta ka hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity dia mbola niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo.
Deuteronomy 31:20Fa rehefa entiko any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
1 Kings 8:47ary mahatsiaro any amin’ ny tanin’ ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin’ ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy.
Nehemiah 9:16Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao,
Nehemiah 9:28Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan’ ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben’ ny fiantranao.