Bokin'i Malakia 3:9
Voaozona amin’ ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Ye are cursed with a curse: for ye have robbed me, even this whole nation.
In Context
Cross References
Joshua 7:12Koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalony ny Zanak’ Isiraely; miamboho eo anoloan’ ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
Isaiah 43:28Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masìna ho tsy masìna, sy nanolorako an’ i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa.
Haggai 2:14Dia namaly Hagay nanao hoe: Tahaka izany eo anatrehako ireto olona ireto, ary tahaka izany ity firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka izany koa ny asan’ ny tànany rehetra; fa izay ateriny ao dia maloto.