Filazantsara araka an'i Marka 12:33
Ary ny ho tia Azy amin’ ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 12
Cross References
Psalms 50:8Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.
Proverbs 21:3Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak’ i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
Isaiah 58:5Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian’ ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’ i Jehovah?
Hosea 6:6Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an’ Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.
Micah 6:6Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
Matthew 12:7Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.