Filazantsara araka an'i Marka 14:72
Ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain’ i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
71Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 14
Cross References
2 Samuel 24:10Ary ny eritreritr’ i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin’ i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
Jeremiah 31:18Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro.
Ezekiel 16:63mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin’ ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.
Matthew 26:34Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.
Mark 14:30Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin’ ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao.
Luke 15:17Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain’ ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!