Mark 14:8
Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
She hath done what she could: she is come aforehand to anoint my body to the burying.
In Context
Cross References
1 Chronicles 28:2Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy ho an’ ny fitoeran-tongotr’ Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;
2 Chronicles 31:20Ary toy izany no nataon’ i Hezekia eran’ i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
Psalms 110:3Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.
Luke 23:53Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin’ ny fasana nolavahana tamin’ ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
John 19:32Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ ny voalohany sy ny an’ ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana.
2 Corinthians 8:12Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.