Filazantsara araka an'i Marka 6:20
Fa Heroda natahotra an’ i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masìna izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin’ ny hafaliana izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 6
Cross References
Exodus 11:3Dia nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin’ ny tany Egypta, dia teo imason’ ny mpanompon’ i Farao sy teo imason’ ny vahoaka.
2 Kings 3:12Ary hoy Josafata: Ao amin’ izy io tokoa ny tenin’ i Jehovah. Dia nidina nankany amin’ i Elisa ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata ary ny mpanjakan’ i Edoma.
2 Kings 13:14Ary Elisa dia nararin’ ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin’ ny tavan’ i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
2 Chronicles 24:15Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty.
Psalms 106:12Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.
Ezekiel 33:32Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.