Filazantsara araka an'i Marka 6:48
Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain’ ny rivotra: ary tokony ho tamin’ ny fiambenana fahefatra amin’ ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 6
Cross References
Genesis 32:26Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen’ i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.
1 Samuel 11:11Ary nony maraina, dia nozarain’ i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin’ ny toby tamin’ ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan’ ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin’ ny roa aza.
Psalms 93:4Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr’ i Jehovah any amin’ ny avo.
Isaiah 54:11Hianao, ry ory izay afotofoton’ ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin’ ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin’ ny safira,
Luke 12:38Ary na avy amin’ ny fiambenana faharoa amin’ ny alina izy, na avy amin’ ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
John 1:13dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon’ ny nofo, na ny sitrapon’ ny olona, fa naterak’ Andriamanitra.