Filazantsara araka an'i Matio 1:20
Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy tamin’ ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’ i Davida, aza matahotra hampakatra an’ i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ ny Fanahy Masìna,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 1
Cross References
Genesis 46:3Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.
Judges 13:3Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
1 Kings 17:13Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.
Job 33:15Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
Psalms 94:19Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
Psalms 143:8Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.