Filazantsara araka an'i Matio 1:24
Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian’ ny anjelin’ ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 1
Cross References
Genesis 6:22Dia nataon’ i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’ Andriamanitra azy no nataony.
Genesis 22:2Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin’ ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin’ ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
Exodus 40:19Ary namelatra ny lay teo ambonin’ ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exodus 40:27ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
2 Kings 5:11Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin’ ny aretina ka hahasitrana ny boka.
John 15:14Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.