Filazantsara araka an'i Matio 10:16
Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 10
Cross References
Genesis 3:13Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
Jeremiah 40:16Fa hoy Gedalia, zanak’ i Ahikama, tamin’ i Johanana, zanak’ i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an’ Isimaela ianao.
Luke 21:15fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
Romans 16:18Fa izy ireny tsy mba manompo an’ i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ ny tsy ary saina.
2 Corinthians 1:12Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin’ ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin’ Andriamanitra, tsy tamin’ ny fahendren’ ny nofo, fa tamin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin’ izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
2 Corinthians 11:3Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’ i Kristy, tahaka ny namitahan’ ny menarana an’ i Eva tamin’ ny fihendreny.