Filazantsara araka an'i Matio 10:21
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin’ ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 10
Cross References
2 Samuel 16:11Ary hoy koa Davida tamin’ i Abisay sy tamin’ ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.
Job 19:19Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
Zechariah 13:3Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin’ ny anaran’ i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.
Matthew 24:10Ary amin’ izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.
Luke 12:51Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.