Filazantsara araka an'i Matio 10:23
Ary raha manenjika anareo amin’ ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin’ ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan’ ny Zanak’ olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 10
Cross References
Matthew 4:12Ary nony ren’ i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.
Matthew 16:28Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’ olona avy amin’ ny fanjakany.
Matthew 24:27Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
Matthew 24:48Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,
Matthew 26:64Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
Luke 4:29ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ ny havoana niorenan’ ny tanàna, mba hazerany amin’ ny hantsana.