Filazantsara araka an'i Matio 10:27
Izay lazaiko aminareo ao amin’ ny maizina, dia ambarao eo amin’ ny mazava, ary izay ren’ ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ ny tampon-trano.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 10
Cross References
Proverbs 1:20Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
Matthew 13:1Ary tamin’ izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron’ ny ranomasina.
Luke 8:10Dia hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; fa amin’ ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra.
John 16:13Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
John 16:29Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
Acts 5:28ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin’ izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’ izany Lehilahy izany.