Filazantsara araka an'i Matio 10:7
Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And as ye go, preach, saying, The kingdom of heaven is at hand.
In Context
6fa aleo mankany amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ isiraely.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 10
Cross References
Matthew 3:2Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
Matthew 11:1Ary rehefa vitan’ i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin’ ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan’ ny olona.
Matthew 21:31Ka iza moa amin’ izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Matthew 23:13Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
Luke 9:2Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan’ Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
Luke 9:60Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan’ Andriamanitra.