Filazantsara araka an'i Matio 10:8
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
9Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin’ ny fehin-kibonareo,
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 10
Cross References
2 Kings 5:20Fa hoy Gehazy, zatovon’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin’ ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.
Mark 16:18handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ ny marary izy, dia ho sitrana ireny.
Acts 3:6Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
Acts 4:30omban’ ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ ny anaran’ i Jesosy, Mpanomponao Masìna.
Acts 8:18Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan’ ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masìna, dia nitondra vola homena azy