Filazantsara araka an'i Matio 11:20
Ary tamin’ izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 11
Cross References
Isaiah 1:2Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
Micah 6:1Masìna ianareo, mihainoa izay lazain’ i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan’ ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren’ ny havoana ny feonao.
Matthew 21:28Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ ny tanim-boaloboko anio.
Mark 16:14Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin’ ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy.
Acts 17:20Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr’ izany zavatra izany.
James 1:5Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.