Filazantsara araka an'i Matio 11:25
Tamin’ izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 11
Cross References
Genesis 14:19Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin’ Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
Deuteronomy 10:14Indro, an’ i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’ izay rehetra eo aminy.
1 Samuel 3:4dia niantso an’ i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho.
1 Chronicles 29:13Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.
Isaiah 5:21Lozan’ izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!
Isaiah 29:18Amin’ izany andro izany dia ho ren’ ny marenina ny tenin’ ny taratasy, ary na dia ao amin’ ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason’ ny jamba.