Filazantsara araka an'i Matio 11:28
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Come unto me, all ye that labour and are heavy laden, and I will give you rest.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 11
Cross References
Job 5:7Nefa teraka ho amin’ ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin’ ny kilalaon’ afo miakatra
Psalms 32:4Fa efa navesatra tamiko andro aman’ alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ ny fahamainana amin’ ny lohataona. [Sela.]
Psalms 90:7Fa lanin’ ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
Psalms 116:7Miverena ho amin’ ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
Ecclesiastes 1:14Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.
Ecclesiastes 4:8Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin’ ny harena, hanaovany hoe: Ho an’ iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.