Filazantsara araka an'i Matio 11:3
hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And said unto him, Art thou he that should come, or do we look for another?
In Context
2Ary rehefa ren’ i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon’ i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 11
Cross References
Genesis 12:3ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Numbers 24:17Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin’ i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin’ i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
Psalms 2:6“Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin’ i Ziona, tendrombohitro masìna.”
Psalms 118:26Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.
Isaiah 9:6Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Ezekiel 34:23Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy.