Filazantsara araka an'i Matio 12:10
ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata? mba hiampangany Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin’ ny synagoga;
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 12
Cross References
Isaiah 32:6Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin’ i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan’ ny noana hanina sy izay tsy hahazoan’ ny mangetaheta rano hosotroina.
Isaiah 59:13Dia ny miodina sy ny mandà an’ i Jehovah, ary ny miala amin’ ny fanarahana an’ Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.
Matthew 12:2Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata.
Matthew 22:17Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?
Luke 11:54Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin’ ny teny naloaky ny vavany.
Luke 14:3Ary Jesosy namaly ka nanao tamin’ ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata, sa tsia?