Filazantsara araka an'i Matio 12:30
Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He that is not with me is against me; and he that gathereth not with me scattereth abroad.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 12
Cross References
Genesis 49:10Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
Joshua 24:15Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’ i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.
Psalms 94:16Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?
Matthew 6:24Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy Mamôna ianareo.
Luke 9:50Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
John 11:52ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak’ Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.