Filazantsara araka an'i Matio 14:19
Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ ny vahoaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 14
Cross References
1 Samuel 9:13ary raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin’ ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin’ ny fanatitra, ary rehefa afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa amin’ izao no hahitanareo azy.
Matthew 26:26Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
Mark 6:41Ary rehefa voarain’ i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan’ ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin’ ny olona rehetra.
Mark 8:6Dia nasainy nipetraka tamin’ ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan’ ny vahoaka izany.
Mark 14:22Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako.
Luke 9:16Ary rehefa noraisin’ i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan’ ny vahoaka.