Filazantsara araka an'i Matio 14:23
Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 14
Cross References
Matthew 6:6Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ ny Rainao, Izay ao amin’ ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina no hamaly anao.
Mark 6:46Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.
Luke 9:28Ary rehefa tokony ho havaloana taorian’ izany teny izany, dia nitondra an’ i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
Acts 6:4Fa izahay kosa haharitra amin’ ny fivavahana sy ny fampianarana.