Filazantsara araka an'i Matio 14:33
Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak’ Andriamanitra tokoa Hianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then they that were in the ship came and worshipped him, saying, Of a truth thou art the Son of God.
In Context
32Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.
34Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 14
Cross References
Psalms 2:7“Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
Matthew 4:3Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.
Matthew 16:16Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona.
Matthew 26:63Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin’ Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra.
Matthew 27:54Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an’ i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin’ izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.
Matthew 28:17Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.