Filazantsara araka an'i Matio 15:19
Fa avy amin’ ny fo no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny vonoan’ olona, ny fakam-badin’ olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Fa izay mivoaka avy amin’ ny vava kosa dia avy amin’ ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.
20izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 15
Cross References
Genesis 6:5Ary hitan’ i Jehovah fa be ny faharatsian’ ny olona tambonin’ ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
Psalms 119:113Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.
Proverbs 6:14Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
Proverbs 24:9Ota ny fikasan’ ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason’ ny olona ny mpaniratsira.
Isaiah 59:7Ny tongony miriotra ho amin’ ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany.
Jeremiah 17:9Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?