Filazantsara araka an'i Matio 15:31
ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’ Andriamanitry ny Isiraely izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 15
Cross References
Genesis 33:20Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.
Psalms 50:15Antsoy Aho amin’ ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Matthew 9:8Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an’ Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.
Matthew 18:8Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ ny afo maharitra mandrakizay.
Mark 2:12Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin’ izay ary niala teo anatrehan’ ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
Mark 9:43Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ ny helo, dia any amin’ ny afo tsy azo vonoina.