Filazantsara araka an'i Matio 15:4
Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 15
Cross References
Exodus 20:12Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
Leviticus 19:3Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Deuteronomy 5:16Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
Deuteronomy 27:16Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
Proverbs 23:22Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
Isaiah 8:20Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina.