Filazantsara araka an'i Matio 16:18
Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin’ ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 16
Cross References
2 Samuel 18:4Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan’ ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan’ arivo.
Psalms 9:13Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
Psalms 107:18Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin’ ny fahafatesana izy.
Psalms 127:5Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin’ ny fahavalo eo am-bavahady.
Isaiah 28:6Ary ho fanahy fitsarana ho an’ izay mipetraka eo amin’ ny fitsarana, sy ho hery ho an’ izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
Isaiah 38:10Hoy izaho: Amin’ izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita; nesorina tamiko ny androko sisa.