Filazantsara araka an'i Matio 16:28
Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’ olona avy amin’ ny fanjakany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 16
Cross References
Matthew 10:23Ary raha manenjika anareo amin’ ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin’ ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan’ ny Zanak’ olona.
Matthew 24:27Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
Matthew 26:64Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
Mark 13:26Ary amin’ izay ny Zanak’ olona dia ho hita avy eo amin’ ny rahona amin’ ny hery lehibe sy ny voninahitra.
Luke 9:27Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke 21:27Ary amin’ izany andro izany dia hahita ny Zanak’ olona avy eo amin’ ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.