Filazantsara araka an'i Matio 16:3
Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin’ ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 16
Cross References
Matthew 4:23Ary Jesosy nandeha eran’ i Galilia ka nampianatra tao amin’ ny synagogan’ ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra tamin’ ny olona.
Matthew 11:5Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
Matthew 22:18Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?
Luke 11:44Lozanareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy.
Luke 13:15Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ ny fihinanam-bilona amin’ ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?