Filazantsara araka an'i Matio 16:6
Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then Jesus said unto them, Take heed and beware of the leaven of the Pharisees and of the Sadducees.
In Context
5Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.
7Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 16
Cross References
Exodus 12:15Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ ny voalohan’ andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely.
Matthew 16:12Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo’ ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon’ ny fampianaran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
Luke 12:1Ary tamin’ izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin’ ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.
John 4:33Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?
Galatians 5:9Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.