Filazantsara araka an'i Matio 17:23
ka hovonoiny, nefa amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And they shall kill him, and the third day he shall be raised again. And they were exceeding sorry.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 17
Cross References
Psalms 22:15Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
Isaiah 53:7Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.
Daniel 9:26Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masìna; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.
Matthew 16:21Hatramin’ izany no vao natoron’ i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ ny andro fahatelo.
John 2:19Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy.
John 16:20Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.