Filazantsara araka an'i Matio 17:25
Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan’ i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’ iza moa no andraisan’ ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ ny zanany va, sa avy amin’ ny olon-kafa?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin’ ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 17
Cross References
1 Samuel 17:25Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon’ ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin’ ny Isiraely ny tarana-drainy.
Matthew 22:17Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?
Matthew 22:21Hoy izy taminy: An’ i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.