Filazantsara araka an'i Matio 17:5
Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 17
Cross References
Exodus 40:34Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
Deuteronomy 5:22Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon’ i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.
Deuteronomy 18:19Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.
Job 38:1Ary teo anatin’ ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’ i Joba ka nanao hoe:
Psalms 81:7Nampiala ny sorony tamin’ ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.
Isaiah 42:21Sitrak’ i Jehovah noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.