Filazantsara araka an'i Matio 18:12
Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11(Fa tonga ny Zanak’ olona hamonjy ny very.)
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 18
Cross References
1 Kings 21:17Ary ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Elia Tisbita ka nanao hoe:
Isaiah 53:6Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Ezekiel 34:6Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin’ ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin’ ny tany rehetra no ielezan’ ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.
Ezekiel 34:16Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin’ ny fitsarana.
Matthew 12:11Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin’ ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?
Matthew 22:42Ahoana no hevitrareo ny amin’ i Kristy? Zanak’ iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’ i Davida.