Filazantsara araka an'i Matio 18:19
Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ ny Raiko Izay any an-danitra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Fa na aiza na aiza no iangonan’ ny roa na telo amin’ ny anarako, dia ao afovoany Aho.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 18
Cross References
Matthew 5:24dia avelao eo anoloan’ ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
Matthew 21:22Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ ny fivavahana atao amin’ ny finoana dia ho azonareo.
John 14:13Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ ny Zanaka.
John 15:16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ ny vokatrareo, mba homen’ ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ ny anarako na inona na inona.
Acts 1:14Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ ny vehivavy sy Maria, renin’ i Jesosy, ary ny rahalahiny.
Acts 4:24Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin’ Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny,