Filazantsara araka an'i Matio 18:23
Koa amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin’ ny mpanompony ny amin’ ny volany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 18
Cross References
Matthew 3:2Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
Matthew 13:31Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain’ olona ka nafafiny tany an-tsahany;
Matthew 13:44Ary ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’ olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
Matthew 13:52Dia hoy Izy taminy: Koa amin’ izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin’ ny fanjakan’ ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ ny firaketany zava-baovao sy ela.
Matthew 25:14Fa ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:
Luke 16:1Ary hoy koa Jesosy tamin’ ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain’ olona taminy fa mandany ny fananany.