Filazantsara araka an'i Matio 18:3
ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 18
Cross References
Psalms 131:2Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko.
Matthew 5:18Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan’ ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra.
Matthew 6:2Koa amin’ izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon’ ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Matthew 6:16Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan’ ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Matthew 19:14Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
Mark 4:12mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony.