Filazantsara araka an'i Matio 18:8
Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ ny afo maharitra mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 18
Cross References
Isaiah 2:20Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona Ho an’ ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
Isaiah 33:14Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin’ ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ ny lelafo mandrakizay?
Matthew 5:29Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin’ ny helo.
Matthew 15:30ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ ny tongotr’ i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;
Matthew 25:46Ary ireo dia hiala ho any amin’ ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ ny fiainana mandrakizay.
Luke 14:26Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.