Filazantsara araka an'i Matio 19:14
Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 19
Cross References
Genesis 17:7Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
Genesis 21:4Dia noforan’ i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian’ Andriamanitra azy.
1 Samuel 1:11Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’ i Jehovah kosa izy amin’ ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
1 Samuel 1:24Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin’ ny vantotr’ ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon’ i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.
Matthew 11:25Tamin’ izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika.
Mark 10:14Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.