Filazantsara araka an'i Matio 19:16
Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 19
Cross References
Daniel 12:2Ary maro amin’ izay matory ao amin’ ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin’ ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin’ ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
Matthew 19:26Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain’ ny olona izany, fa hain’ Andriamanitra ny zavatra rehetra.
Matthew 25:46Ary ireo dia hiala ho any amin’ ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ ny fiainana mandrakizay.
Luke 10:25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
John 3:15mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
John 5:39Dinihinareo ny Soratra Masìna, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.