Filazantsara araka an'i Matio 2:12
Ary rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra tamin’ ny nofy izy tsy hiverina any amin’ i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin’ ny fonenany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 2
Cross References
Genesis 31:24Fa Andriamanitra nankeo amin’ i Labana Syriana tamin’ ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
Job 33:15Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
Matthew 1:20Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy tamin’ ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’ i Davida, aza matahotra hampakatra an’ i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ ny Fanahy Masìna,
Matthew 2:19Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho tamin’ i Josefa tany Egypta tamin’ ny nofy ka nanao hoe:
Matthew 27:19Ary raha nipetraka teo amin’ ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin’ izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
Acts 5:29Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.