Filazantsara araka an'i Matio 20:19
ka hatolony amin’ ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin’ ny hazo fijaliana; ary amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 20
Cross References
Psalms 22:7Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’ olona sy fanevatevam-bahoaka.
Isaiah 26:19Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.
Hosea 6:2Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin’ ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika
Matthew 16:21Hatramin’ izany no vao natoron’ i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ ny andro fahatelo.
Matthew 27:2Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an’ i Pilato governora.
Mark 14:65Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina Azy koa.